

Accueil Biographie Photos Liens Forums Dons Contact




Hom_0001.wmv N y a n to n"i ty SEHATRA i t y
| Fanirian-dRamosé Ramboatiana Etienne "SAROBIDY
SY LALINA" tokoa ny "handrakitra
ny soa sy ny kanto" hivela hanenika ny fianantsika! Hanenika ny tontolo aza... Tsy
nikely soroka, nifofotra, nively vy
izy na tamin ny famoronana hira, feonkira, ary teo amin'ny fiezahana hampita
izany tamin'ny fampianarana ... Tsy mora ny nioitra ny "SAROTRA" voadingany. Ohatra iray ny fanoratana tanana ireo boky fianarana gitara, fanoratana ireo "partitions" nanaovana "orchestre", ankoatry ny famoronana sy fandrindrana izany! Sy ny maro tsy hary ho voatanisa, nahatsapana sy nampiaiky ahy tokoa fa iray tamin'ny mpanankanto Malagasy NAHERY FO sy nanana ny naha izy azy tokoa Ramosé RAMBOATIANA ETIENNE izay! Nisy tamin'ireo boky nataony no nomeny ny "concervatoires" aty ivelan'i Madagasikara..., narahiny resaka tamin'izay hoe " hamonosan'ny olona mofogasy fotsiny tsinona no hihafarany!" ... NANGOTSOKA NY FO AMAM-PANAHY.!!!!!!..; Tsy namaly azy aho fa nitsiky toa nanamafy ety ivelany hoe: " mety " fa angamba hoy aho an'eritreritro ao, tsy ho fantatry ny olona antaravelon'ny hazakazam-piainana akory raha izay "notes" ao anaty boky, rahateo maro ny karazam-boky sy hira sy feonkira ankehitriny. Mila fiheverana misimisy kokoa ny fametrahana izany!... Dia niezaka aho ...hisian'izao sehatra izao , fiheverako: tohin'ny faniriany no... Tsy noho izany ihany fa MAHATSIARO ireo namana mpitendry gitara mmmaaaaaro ( Na lahy na vavy dia samy maha-te ho tia avokoa : " Na bika, tarehy, indrindra moa ny finiavana hanao zavatra, kiry, sns....saingy somary "sahirankirana" izany matetika!. Andrekaky ô , vao mianatra gitara a! marary ny tanana fa hihafiana fotsiny:Ambo-po izao!!! ( voavakiko daholo , ilay fijalijaliana isan-karazany tamin'ny fiatrehana gitara ireny, fa ny ahy aloha: HEU... tsy ambarambarako anao ( Hi!hi!hi! Ha!Ha!ha ). Tao ireo nahavatra mandeha tongotra nandeha nianatra, dia nangonina ny "bourse" mba hanangonana ny vola hividianana gitara...( ndriiiiiiyyyy!!!!!!!!!!! ) Ilay fomba hahitana "cordes" fotsiny dia efa mametraka olana?????????, ny vola hividianana mbola manginy fotsiny : taiza koa 'zaho no nahita tadin-gitara misy fatorana hitohy raha tsy tany Dago?... Efa nisy fotoan'andro; tsy hino ahy angamba ianareo anefa tena marina ity fa tadim-pintana no nataon'ity mpianatra iray!!!!...Fa maninona aza ho aho anakampo no tsy mety hitako mihitsy ny mi-accordé ity gitara?...hay... ilay mpianatra no nibitsika moramora menamenatra izy nilaza fa tadim-pintana no nataony sns... Mampite hivolana fa "tsy manan-jo hitendry gitara" na hitia gitara . Rahateo tsy mba voatamby akory ny nisasarana toa inona, ary eo amin'ity lafiny ity no mahatonga ahy nampiditra ny "rubrique" "DONS" mba hiheverana sy hitsimbinana ireo talenta sy ny fikirizana: Faniriako ny mba hisian na "fihaonan'ny mpitendry gitara" na "festival de guitare" na "concours de guitare" any Madagasikara, dia mba hisy "hetsika" sy "loka" arakaraka ny "DONS" azo.... Saingy raha tsy miara-misalahy isika dia tsy mba hahazara sy hahapetraka izay mba mety ho anjara birikintsika eo anivon'ny mpiara-monina, fa ivela any anjorombala sanatria ny mozika kanto nokononintsika?.... Noho izany dia ho fanohanana sy ho fifanohanan' ireo "mpankafy gitara" ( passion guitaristique ) indrindra koa no nanokafana ity sehatra ity. Dia miandry izay sosokevitsika , indrindra moa ny FIFANOHANANA isan-karazany na arak'hevitra na fanampiana : raisina an-tanandroa sady isaorana mialoha ! IHanta |